Fanamafisana ny fitandroana ny fandriam-pahalemana
– Mitohy hatrany ny fisafoana ataon’ireo Polisimpirenena miasa eny an-kianja eto Antananarivo Renivohitra.
– Ny alin’ny 15 Oktobra 2025, notarihin’ny Commissaire Divisionnaire de Police ANDRIANALISON Haminiaina Solofotiana, Talen’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka Analamanga sy ny Commissaire Principal de Police RAKOTONIRINA Jimmy Clark, Talean’ny Hery vonjy taitra eto anivon’ny Polisimpirenena, ny fanaraha-maso ny fisafoana sy ny paikady napetraka mba hitondràna ny filaminana ho an’ny mpiray Tanindrazana.
– Nandray anjara tamin’ity hetsika ity ireo lehiben’ny kaomisaria foibe sy ireo lehiben’ny kaomisaria eny anivon’ny boriborintany eto amin’ny faritra Analamanga, niaraka tamin’ireo Vaomieran’ny Fandriam-pahalemana.
– Tanjon’ny hetsika ny hanamafisana ny fisian’ny Polisimpirenena eny anivon’ny fokontany, hisorohana ny asa ratsy.
– Ny Polisimpirenena sy ny Vaomieran’ny Fandriam-pahalemana eny anivon’ny fokontany dia miara misalahy amin’ny fitandroana ny filaminana eny ifotony.
– Ny Polisimpirenena dia manamafy fa hanome ny fara-heriny ary hiara-hiasa tsy tapaka amin’ireo rafitra eny ifotony hametrahana ny fandriampahalemana maharitra sy ho fiarovana ny vahoaka.

