-Nisongadina androany maraina ny fitsidihana voalohany nataon’ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police ERICK MICHEL Wouli Soumah Idrissa, teny amin’ireo rafitra fototra eo anivon’ny Polisimpirenena ; dia ny teny amin’ny foibem-pibaikoana ny Polisimpirenena etsy Anosy, teny amin’ny Kaomisaria foibe Tsaralalàna ary teny amin’ny tobin’ny FIP Antanimora.
– Nandritra ny lahateniny dia natsidiky ny Minisitry ny Filaminambahoaka ny tsy maintsy hizoran’ny Minisitera tantanany sy ny Polisimpirenena ho an’ny Fanavaozana sy fihavaozana izay takian’ny fanovàna. Niantso ny Polisimpirenena rehetra mba ho vonona sy handray ny andraikitra tandrify azy anatin’ny fahamarinana, ny fahombiazana ary ny fanompoana ny vahoaka ny tenany.

NIHAONA SY NITAFA TAMIN’IREO POLISIMPIRENENA MIASA ETO ANTANANARIVO TENY AMIN’NY FOIBEM-PIBAIKOANA NY POLISIMPIRENENA TENY ANOSY, TAO AMIN’NY KAOMISARIA FOIBE TSARALALANA ARY TENY AMIN’NY FIP ANTANIMORA NY MINISITRY NY FILAMINAMBAHOAKA, NY INSPECTEUR GENERAL DE POLICE ERICK MICHEL WOULI SOUMAH IDRISSA

Vous pourrez aussi aimer