– Ady amin’ny famarinan’olombelona sy asa an-tery mifandraika amin’ny fanandevozana
– Nosamborin’ny Polisy miasa ao amin’ny Service Central des Enquêtes Spécialisées et de la Lutte contre les Fraudes (SCESLF) ny 31 oktobra 2025 ny lehilahy iray, izay tompon’antoka amin’ny raharaha famarinan’olombelona ka nahavoakasika teratany malagasy maromaro tany Cambodge ny fiandohan’ny volana Oktobra 2025 teo.
– Niely tao amin’ny tambajotra Facebook ny sary mampiseho ny fiainan’ireo tanora malagasy nila ravinahitra tany Cambodge izay niharan’ny fanararaotana sy asa an-terivozona ka miendrika famarinan’olombelona izany.
– Araka ny fanadihadiana nataon’ny Polisimpirenena tamin’ireo lasibatra dia tao amin’ny tambajotran-tserasera Facebook, WhatsApp na TikTok no nahitàn’izy ireo tolotr’asa na ihany koa fampiofanana arak’asa any Cambodge. Fampiofanana arak’asa maimaim-poana ary arahana tolotr’asa izy io, na asa avy hatrany izay lazaina fa tafiakatra 700 Dolara na maherin’ny 3 tapitrisa ariary ny karama.
– Rehefa tonga tany amin’ilay toerana niasàna anefa dia nogiazana avy hatrany ny pasipaoro sy ny antontan-taratasy rehetra momba azy ireo, nambenana tamin’ny mpiambina mitam-basy, ary nampanaovina asa an-terivozona toy ny fisolokiana amin’ny internet.
– Miisa 16 mianadahy no efa tafody eto Madagasikara tamin’ireo malagasy nampiasaina nampanaovina asa an-terivozona tany Cambodge ireo ankehitriny, ary efa misy voasambotry ny Polisy any an-toerana ny tompon’antoka tamin’izany.
– Tamin’ny fanadihadiana ihany koa no nahafantarana an’ilay malagasy izay mpifandray amin’ireo avy any Cambodge ka manamora ny fikarakaràna ny fandefasana azy ireo any. Samy nakan’ilay tompon’antoka 5 alina sy 7 hetsy ariary avy ireo lasibatra. Nahazo 25 dolara na 1 hetsy ariary isan’olona tamin’ireo malagasy nalefany tany ivelany kosa izy tamin’ireo olona avy any Cambodge miray tsikombakomba aminy.
– Rehefa natolotra ny fampanoavana ity lehilahy ity ny 3 novambra 2025 dia nampidirina am-ponja vonjimaika eny Antanimora.
– Ny Polisimpirenena dia manentana hatrany ny mpiray Tanindrazana mba hitandrina tsara sy hanamarina hatrany amin’ireo tolotra asa any ivelany mba hisorohana ny tranga tahaka izao. Mbola mitohy ny fanadihadiana raha ny mahakasika an’ity raharaha ity manokana.

 

RAHARAHA FANARARAOTANA TERA-TANY MALAGASY NAMPANAOVINA ASA AN-TERIVOZONA TANY CAMBODGE : LEHILAHY IRAY VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA ARY EFA NIDOBOKA AM-PONJA.

Vous pourrez aussi aimer