✅ Ady amin’ny halatra isan-karazany.
– Voasambotry ny Polisimpirenena avy ao amin’ny Kaomisaria Antalaha ireto jiolahy miisa efatra ireto, fantatra fa malaza ratsy amin’ny resaka halatra moto ao atampontanànan’ny Antalaha.
– Araka ny fitarainana voarain’ny Polisy tamin’ny 25 Oktobra 2025, mikasika ny fahaverezan’ny moto Honda 125cc iray, dia nanao fikarohana sy fanadihadiana avy hatrany ny Polisy ka nahasambotra olona roa tamin’ireo olon-dratsy.
– Taorian’izany, ny 02 Novambra 2025, dia tratran’ny Polisy tao Antsonasona kosa ireo namany roa hafa, izay mpangalatra sy mpividy moto halatra. Fantatra fa nafenin’izy ireo tao Belle-Rose – Maherifody ilay moto nangalarin’ireto farany.
– Samy niaiky ny helony izy ireo, ary noetina avy hatrany teny amin’ny Kaomisaria mba hanaovana fanadihadiana momba ity raharaha ity.

 

LEHILAHY MIISA EFATRA MALAZA RATSY AMIN’NY FANGALARANA MOTO AO ANTALAHA, VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer