📅 Nahavoaray fitoriana avy amin’ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoranafo sy ny Jirama, mahavoakasika mpiasa iray eo anivon’ny Jirama ny Kaomisaria Foibe Tsaralalàna ny 12 Novambra 2025.
⛔ Miisa telo lehibe no antony hanenjehan’ireo mpitory an’ity mpiasan’ny Jirama ity dia :
1️⃣ Voalohany, noho ny fanohintohinanana ny fahefàm-panjakàna amin’ny alalan’ny hetsika mivoana any amin’ny fandikan-dalàna ka mitarika ny fandranitana ny olom-pirenena (atteinte à la sûreté de l’Etat) ;
2️⃣ Faharoa, fandrisihana amin’ny fifankahalàna (incitation à la haine) ;
3️⃣ Fahatelo sady farany, fanimbàna fananana iombonana sy fananam-panjakàna (destruction de biens publics).
👮♂️ Araka izany, tanana eny amin’ny biraon’ny Polisimpirenena ity mpiasan’ny Jirama ity hanokafana ny fanadihadiana savaranonando ary ho atolotra ny Fampanoavana aorian’izay.
📢 Ny Polisimpirenena dia manaja ny fahalalahana maneho hevitra, saingy miantso ny rehetra mba hijanona hatrany ao anatin’ny fanarahan-dalàna ny fanatanterahana izany.
MPIASA IRAY AVY AO AMIN’NY JIRAMA VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA : NOTORIAN’NY JIRAMA SY NY MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORONAFO NOHO IREO FANDIKAN-DALANA NATAONY
