✅ Ady amin’ny fidorohana sy fipariahan’ny zava-mahadomelina
– Ny 23 Novambra 2025 hariva dia nahazo vaovao avy amin’olona tsara sitra-po ny Polisimpirenena ao amin’ny Kaomisaria Boriborintany Voalohany – Camp des Manguiers fa misy trano iray ao Ankirihiry ahiahiana ho toerana fidorohana zava-mahadomelina.
– Nisy ny fiaraha-miasa teo amin’ny Polisin’ny Camp des Manguiers sy ny Kaomisaria Foibe, ka nanao fidirana tampoka tao amin’ilay trano ireo mpitandro filaminana. Voasambotra nandritra izany ny olona miisa 18, ka vehivavy 1 sy lehilahy 17. Tratra tao an-toerana ihany koa harona plastika iray feno rongony.
– Nentina avy hatrany teny amin’ny Kaomisaria Boriborintany Voalohany ireo rehetra voasambotra mba hanohizana ny fanadihadiana.
TOAMASINA — OLONA 18 VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA TAO ANKIRIHIRY NOHO NY FITAZONANA SY FIDOROHANA ZAVA-MAHADOMELINA.
