– Notanterahina ny 26 novambra 2025 tao amin’ny efitrano malalaky ny lapan’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra tetsy Analakely ny fihaonana teo amin’ny Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena, ny Commissaire Divisionnaire de Police TSARAMONINA Ravony Jean Victor sy ny ben’ny tananan’Antananarivo Renivohitra, Ramatoa Harilala RAMANANTSOA.
– Noresahana nandritra izany ny fandaminana ny fomba fiasa mahomby sy matotra eo amin’ny Polisimpirenena sy ny Polisy monisipaly izay miara-miasa akaiky amin’ny fandrindràna ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra.
Tanjona amin’izao fihaonana izao ny mba hamerenana amin’ny laoniny ny fifamoivozana milamina sy mirindra takian’ny vahoaka sy ireo mpampiasa lalana.
– Efa tafiditra sahady amin’ny fanomanana ny fandraisana ny fetin’ny noely ny Polisimpirenena sy ny kaominina Antananarivo Renvohitra ary anisan’ny nodinihina nandritra izao fihaonana izao ihany koa izany. Nandray anjara tamin’ny fihaonana ireo tompon’andraikitra ambony avy amin’ny Polisimpirenena eto Andrenivohitra sy ny avy amin’ny Polisy monisipaly.

FANDAMINANA SY FANDRINDRANA NY FIFAMOIVOIZANA ETO AN-DRENIVOHITRA : NISY NY FIHAONANA TEO AMIN’NY AMIN’NY TALE JENERALIN’NY POLISIMPIRENENA SY NY BEN’NY TANANAN’ANTANANARIVO RENIVOHITRA.

Vous pourrez aussi aimer