– Voasambotry ny Polisimpirenena misahana ny ady amin’ny heloka an’abaka (Cybercriminalité) ao Anosy, ny 17 novambra 2025, ireto lehilahy roa ireto rehefa nokarohina noho ny fanaovana sy fampiasana taratasy hosoka..
– Sady mamitaka olona ho mahavita sy mikarakara ny taratasy maha tompona fiara sy famindràna anarana (mutation carte grise) izy ireo ka misy ireo roboka amin’izany. Tsy nety vita anefa ny taratasy na dia efa nahazo vola sy mitaky vola matetika aza ireto olona ireto ka nohamarinin’ny tompona fiara teny amin’ny ivon-toerana famoahana taratasina fiara sy fahazoan-dalana mamily fiara (CIM) Ambohidahy izany ary fantatra fa tsy tafiditra tao ny antonta-taratasiny.
– Nametraka fitoriana izy ka niafara tamin’ny fisamborana ireo olona roa ireo izany ny 17 Novambra 2025 teny Ampandrana sy teny Ambodivona. Mbola nahitàna fitomboka hosoka maromaro teny amin’ny iray amin’izy ireo tamin’ny fisamborana.
– Natolotra ny Fampanoavana 21 Novambra 2025 ireto roalahy sady mpisoloky no mpanao hosoka ireto ary naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora.

 

LEHILAHY ROA VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA NOHO NY FANAOVANA SY FAMPIASANA TARATASY HOSOKA

Vous pourrez aussi aimer