🚨 Fandraisana andraikitra momba ny filaminana sy fahadiovana
👤 Lehilahy iray tsy salama saina tao Morafeno no nandraisan’ny Polisimpirenena andraikitra ny alarobia 03 Desambra 2025 noho izy manakorotana fiarahamonina, mitondra antsy izy ary manambana ny hamely izay olona sendra azy, manaparitaka maloto eny amin’ny manodidina azy koa izy ka nampitaraina olona maro.
🚔 Tonga teny an-toerana ny Polisimpirenena nijery ny zava-nisy, ary nandray andraikitra avy hatrany ka nitondra azy tany amin’ny Toby ao Antanamasaja mba hahazoany fitsaboana sy fanaraha-maso sahaza.