– Tonga nitsidika ny ekipam-pirenena Malagasy Ankoay, eo amin’ny taranja basketball 3×3, tao amin’ny Radisson Blue izay ivondronan’ireo mpilalao ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police ERICK MICHEL Wouli Soumah Idrissa, ny 07 Desambra 2025, izay nisolo tena ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara.
– Tanjon’ity fitsidihana ity ny hanomezana fankaherezana ho an’ireo mpilalao misolo tena an’i Madagasikara amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena FIBA 3×3 Africa Cup Men/Women 2025.
– Nambaran’ny Minisitry ny Filaminambahoaka fa mitaky fahavononana, firaisankina ary finiavana ny fifaninanana lehibe toa izao, ka nitso-drano ny ekipa izy, mba hahaleo hahalasana ka ahazoana vokatra tsara amin’ity fifaninanana ity.
Tsy nitsidika fotsiny ihany Andriamatoa Minisitra fa nitondra fanohanana ihany koa.
– Marihina fa Polisimpirenena ny telo amin’ireo mpilalao mandrafitra ny ekipa-pirenena sokajy lehilahy.
– Samy voahosotra ho tompondakan’i Afrika avokoa ny Ankoay lahy sy vavy taorian’ireo lalao dingana famaranana natao androany tetsy amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy ny Kolontsaina Mahamasina.

EKIPAM-PIRENENA MALAGASY ANKOAY EO AMIN’NY TARANJA BASKET 3×3 : NITSIDIKA SY NITONDRA FANKAHEREZANA AZY IREO NY MINISITRY NY FILAMINAMBAHOAKA IZAY NISOLO TENA NY FILOHAN’NY FANAVAOZANA NY REPOBLIKAN’NY MADAGASIKARA MIALOHAN’IREO LALAO IZAY NATAO ANDROANY KA NAHAZOANA NY FANDRESENA

Vous pourrez aussi aimer