– Polisimpirenena manakaiky ny Vahoaka
– Notanterahina ny Zoma 05 Desambra 2025 teto Beroroha Antampontanana, Faritra Atsimo Andrefana, ny fitokanana ny Kaomisarian’ny Filaminambahoaka vaovao. Ity fotodrafitrasa ity dia natao indrindra mba hahafahan’ny vahoaka misitraka tolotra fandriam-pahalemana maharitra, amin’ny maha faritra mena an’ ity distrikan’ny Beroroha ity.
– Tonga nitokana sy nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemantan’ny Fanavaozana, Andriamatoa RAJAONARIVELO Heritsalama Andriamasy, notronin’ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly RAZAFITOMBO Maminirina Ely, sy ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police ERICK MICHEL Wouli Soumah Idrissa ary ny Minisitry ny Fampianarana ara-teknika sy ny Fampiofanana Arak’asa, Andriamatoa TSILEFA Antonio.
– Notsindrian’ Andriamatoa Praiminisitra tao anatin’ny lahateniny amin’ny maha filoham-boninahitry ny Fikambanan’ny Teraky Bara (FITIBA) azy ny fanentanana ny rehetra hiara-misalahy hanao ezaka tandrify mba ho fanorenana fanjakana mijoro amin’ny fahamarinana, lavitry ny kolikoly ka atokisan’ny vahoaka.
– Nisaotra sy nankasitraka ny Fitondram-panjakana ny Minisitry ny Filaminambahoaka. Notsindriany fa hanao ny ezaka rehetra ny Polisimpirenena eto an-toerana mba hitondra vokatra azo tsapain-tanana eo amin’ny sehatry ny filaminana, ahafahan’ny vahoaka mamokatra sy miaina am-pilaminana, izay ihany koa no antony nananganana izao fotodrafitrasa izao.
– Tonga maro nanotrona sy nanome voninahitra ity lanonana ity ireo olom-boafidy sy olo manan-kaja maro, sivily sy miaramila, ary ireo tompon’andraikitra ambony ao amin’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka.

FITALEAVAM-PARITRY NY FILAMINAMBAHOAKA ATSIMO ANDREFANA : NOTOKANANA SY NOSOKAFANA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY NY KAOMISARIAN’NY DISTRIKA VAOVAO AO BEROROHA

Vous pourrez aussi aimer