– Ady amin’ny asan-jiolahy
– Nandritra ny asa fisafoana nataon’ny Unité d’Intervention Rapide (U.I.R) Toamasina tao amin’ny faritra Mangarivotra Atsimo ny maraimben’ny 08 Desambra 2025 dia jiolahy iray no lavon’ny bala nandritra ny fifandonana.
– Loharanom-baovao avy amin’ny olona tsara sitra-po no nahafahana namantatra ny fisian’ireo mpanao ratsy mitam-piadiana izay nampihorohoro ny mponina tao an-toerana ary efa vonona tamin’ny fanafihana.
– Vokatry ny fifandonana, maty voatifitra ny iray raha telo hafa kosa tafaporitsaka raha vao nahita ny namany lavo.
– Tavela teny an-toerana ireo fitaovana sasantsasany nampiasain’izy ireo entina manao fandrobàna, anisan’izany ny antsy be sy fitaovana fanapahana vy.
– Mitohy ireo hetsika ho fametrahana fandriam-pahalemana maharitra ao Toamasina ataon’ny Polisimpirenena ary manentana ny rehetra hatrany tsy hisalasala hitoroka ireo mpanao ratsy.

 

TOAMASINA : JIOLAHY IRAY NO LAVON’NY BALAN’NY POLISIMPIRENENA TAO MANGARIVOTRA ATSIMO

Vous pourrez aussi aimer