– Ady amin’ny fisolokiana
– Mpitsabo iray ao Tanamakoa no nametraka fitoriana tao amin’ny Kaomisaria Foiben’ny Polisy Toamasina tamin’ny volana septambra 2023, nitaraina fa misy olona iray niantso azy ary nangataka vola 10 000 000 Ariary.
– Nilaza io mpisandoka io fa afaka mampiditra azy amin’ny asam-panjakana ambony satria manana andraikitra ao amin’ny Fiadidian’ny Repoblika. Tsy roboka tamin’io fitaka io anefa ilay mpitsabo.
– Ny 04 desambra 2025, mbola nisy niantso indray, ity mpitsabo ity saingy anarana hafa sy fomba fiteny hafa no nanao izany, ary nangataka vola indray. Rehefa nojerena ny laharana finday dia tsikariny fa ilay laharana efa niantso azy matetika tamin’ny volana Septambra 2023.
– Niroso tamin’ny fanadihadiana sy fikarohana azy ny Polisimpirenena rehefa nampandre ny momba izany ilay mpitsabo. Nanao velam-pandrika ary voasambotra ny 07 Desambra 2025 tao Mangarivotra ilay lehilahy mpisandoka.
– Rehefa nalaina am-bavany, dia fantatra fa tsy an’asa ity lehilahy ity ary niaiky ny heloka nataony.
– Eo am-pelatanan’ny Polisy ao amin’ny Komiseria Foibe Toamasina izy amin’izao ary nanokafana fanadihadiana mikasika ity raharaha ity.

 

TOAMASINA : LEHILAHY IRAY MPISOLOKY SADY MPISANDOKA ANDRAIKITRA VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA TAO TOAMASINA

Vous pourrez aussi aimer