– Notanterahina ny 13 Desambra 2025 tao amin’ny Sekolim-mpirenena Ambony ho an’ny Polisy (ENSP) Ivato ny lanonana famoahana amin’ny fomba ofisialy ireo Polisy miisa 78 mianadahy mitondra ny anarana andiany MENDRIKA rehefa nahavita niatrika ny fiofanana nandritra ny roa taona teo anivon’ny Sekoly.
– Commissaire de Police miisa telopolo (30) mianadahy ny avy amin’ity andiany ity ka vehivavy ny 07 tamin’izy ireo. Miisa 48 kosa ireo Officier de Police ka vehivavy ny 11.
– Natao teo ambany fiahian’Andriamatoa Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police ERICK MICHEL Wouli Soumah Idrissa ny lanonana. Tonga nanotrona sy nanome voninahitra izany teny an-toerana ny Filohan’ny Antenimierandoholona, Andriamatoa Jean André NDREMANJARY, ny Filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena, Atoa Fetra RALAMBOZAFIMBOLOLONA izay nisolo tena an’Andriamatoa Filohan’ny Antenimierampirenena, ireo minisitra vitsivitsy mpikambana eo anivon’ny Governemanta ary ireo olo-manankaja ambony sivily sy miaramila.
– Nitso-drano ny andiany MENDRIKA Andriamatoa Minisitry ny Filaminambahoaka, hampitombo isa ireo Polisimpirenena efa am-perinasa ity andiany ity, hiaro sy hanampy ny vahoaka, ho anisan’ny mpikatroka amin’ny sehatry ny fitandroana ny filaminana ary handray anjara tanteraka amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Nirary soa azy ireo ny tenany hahavita be amin’ny asa masina izay ho sahanin’izy ireo.

SEKOLIM-MPIRENENA AMBONY HO AN’NY POLISY (ENSP) IVATO / NIVOAKA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY IREO COMMISSAIRE DE POLICE MIISA 30 SY OFFICIER DE POLICE MIISA 48 AVY AMIN’NY ANDIANY MENDRIKA

Vous pourrez aussi aimer