– Tontosa tetsy amin’ny Gymnase Ankatso ny 20 Desambra 2025 maraina ny hetsika fampisehoana haiady nokarakarain’ny fikambanana Association Nationale Madagascar ITF Heng De.
– Anisan’ireo mpiara-miasa akaiky amin’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka sy ny Polisimpirenena eo amin’ny sehatry ny fampiofanana momba ny « self-defense policière » ny Association Nationale Madagascar ITF Heng De.
– Nandritra ity fotoana ity dia nisy ny fampisehoana nataon’ireo Polisy efa nahazo fiofanana, nanehoany ny fahaiza-manaony amin’ny fiatrehana ireo ambana mety hisy mandritra ny fanatanterahana ny asa andavanandro.
– Tsy adinon’ny mpikambana sy ny ireo mpiara-miasa hafa toy ny fikambanana MASA ny nanolotra fanomezana ho an’ireo zaza Kambotin’ny Polisimpirenena ao Ambatolampy sy ho an’ireo Kamboty Ivelan’ny Akany (KIA).
– Anisan’ny nanolotra izany, nisolo tena ny fikambanana ITF Tarihin’ny Profesora Ri Yong Son sy ireo mpiara-miasa aminy ny mpampiofana, Andriamatoa RAKOTONDRAMANANA Yves Francky .



