– Polisimpirenena manakaiky ny vahoaka
– Ao anatin’izao ankatoky ny fetin’ny Noely izao dia miavaka ny nanatanterahana ny asa ho an’ny Sampan-draharahan’ny Polisimpirenena mikirakira ny fanaovana Pasipaoro eto Anosy. Ankoatra ny fanatanterahana am-pahombiazana ny asa ho fampiodinana ny Sampan-draharaha, dia hita taratra ihany koa ny fahavononan’ireo Polisy tompon’andraikitra amin’ny fandraisana am-pitiavana ireo olom-pirenena tonga manao pasipaoro.
– Ho mariky ny fifaliana sy ny fizarana hafaliana amin’izao akatokin’ny fetin’ny Noely izao, dia nanolotra vatomamy ho an’ireo olona manan-draharaha rehetra indrindra fa ireo ankizy tonga manao Pasipaoro, ny Polisy.
– Niteraka tsiky sy hafaliana teo amin’ireo ankizy sy ny ray aman-dreniny izany, ary nanamafy ny fifandraisana akaiky misy eo amin’ny Polisimpirenena sy ny vahoaka.
– Ny Sampandraharaha dia miezaka hatrany manatsara ny fomba fiasa , indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny fanavaozana izao .

SAMPAN-DRAHARAHAN’NY POLISIMPIRENENA MIKIRAKIRA NY FANAOVANA PASIPAORO ANOSY : HAFA KELY NY FOMBA NENTINA NANATANTERAHANA NY ASA NY 24 DESAMBRA 2025,NIZARA VATOMAMY HO AN’IREO OLONA MANAN-DRAHARAHA AMIN’IZAO AKATOKIN’NY FETIN’NY NOELY IZAO ANKOATRAN’NY FANAINGOANA NY TOERAM-PIASANA

Vous pourrez aussi aimer