– Ireo mpampianatra Katesizy avy amin’ireo EKAR an’ny fiangonana Katolika miisa dimy eny Itaosy indray no nisitraka ny fampiofanana momba ny ady amin’ny herisetra nomen’ny Polisimpirenena ny 27 Desambra 2025. Miisa 109 ireo mpanabe niatrika izany fampiofanana izany.
– Nizara ny traikefa tamin’ity fotoana ity ny Polisy avy amin’ny BFP sy ny Sampan-draharaha miady amin’ny heloka mamoafady sy miaro ny zaza ary ny olona marefo (PMPM Tsaralalàna).
– Tanjon’ny hetsika ny fampahafantarana sy fanomezan-danja ary fampianarana ny zon’ny ankizy sy ny vehivavy ; fanentanana ireo mpandray anjara mba hijery sy hanara-maso, hitoroka ny herisetra mianjady aminy na ireo trangana herisetra hita eny amin’ny fiaraha-monina.
– Nampahafantarina ihany koa ireo toerana misy ny Biraon’ny BFP sy ny PMPM eto Madagasikara, mba hanamoràna ny fandraisana andraikitra sy ny fitoriana raha misy trangana herisetra.

BFP – PMPM : FAMPIOFANANA MIKASIKA NY ADY AMIN’NY HERISETRA MIFOTOTRA AMIN’NY MAHA-LAHY NA MAHA-VAVY (VBG) SY NY HERISETRA ATAO AMIN’NY ZAZA TSY AMPY TAONA.

Vous pourrez aussi aimer