– Fisorohana ny lozam-pifamoivoizana sy famporisihana amin’ny fanarahan-dalàna.
– Ny 01 Janoary 2026 dia nanao hetsika mahakasika ny fanarahan-dalàna sy ny fanentanana momba ny voka-dratsin’ny fahamamoana eo am-pamiliana ireo Polisimpirenena avy ao amin’ny Brigade des Accidents de la Circulation (BAC) Tsaralalàna mba hanombohana ny taona ho lavitry ny loza.
-Teo Anosy no nosafidian’izy ireo nanaovana ity fanentanana ity tohin’izay efa natao ny 31 Desambra 2025 teo Analakely.
– Tanjona ny hisorohana hatrany araka izay fara hery ny lozam-pifamoivoizana, ary hampahatsiahy ny rehetra ny maha zava-dehibe ny fitandremana eny an-dalana indrindra indrindra ny voka-dratsin’ny fandraisana zava-pisotro misy alikaola rehefa hitondra fiara na moto.
– Nampatsiahivina hatrany an’ireo mpampiasa lalana fa samy tomponandraikitra avokoa ny rehetra eny an-dalana mba ho fisorohana ny loza.
ANTANANARIVO RENIVOHITRA : NANAO FANENTANANA HO AN’NY MPAMPIASA LALANA REHETRA NY POLISIMPIRENENA NY ALIN’NY 31 DESAMBRA 2025 SY NY 1 JANOARY 2026.