– Nanatanteraka fidinana ifotony teto an-drenivohitra ireo tompon’andraikitra ambony eto anivon’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka ny alin’ny 31 Desambra 2025, izay notarihan’ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police ERICK MICHEL Wouli Soumah Idrissa.
– Nanaovana fisafoana avokoa ireo faritra be olona sy ahitàna olona maro mifamezivezy teto Antananarivo Renivohitra, Antananarivo Avaradrano, Antananarivo Atsimondrano ; izay samy nisy ireo Polisimpirenena miasa mandra-maraina avokoa.
– Nankahery ireo Polisimpirenena teny an-kianja Andriamatoa Minisitry ny Filaminambahoaka teny amin’ireo toerana rehetra nolalovany, nanentana ihany koa izy amin’ny fanatanerahana ny asa an-kitsipo sy am-pitiavana, anatin’ny fiarovanana ny vahoaka sy ny fananany.
– Ankoatra izay dia nitafa mivantana amin’ireo olona sendra azy eny an-dalana ny Minisitry ny Filaminambahoaka ka nanome toky fa ho eo hatrany ny Polisimpirenena, tsy eto Antananarivo ihany fa manerana an’i Madagasikara. Niantso ny olom-pirenena izy tsy hisalasala hanantona ny Polisy raha misy tranga hilàna izany.
– Nandritra ity fidinanana ifotony ity dia nirary soa ny vahoaka Malagasy rehetra tsy an-kanavaka ny Minisitry ny Filaminambahoaka amin’izao taona vaovao izao.

FAMARANANA NY TAONA 2025 SY FITSENANA NY TAONA VAOVAO 2026 : MIASA HATRANY NY POLISIMPIRENENA MIARO SY MANAMPY NY VAHOAKA MBA HIFETY AM-PILAMINANA, NIDINA IFOTONY NANKAHERY IREO POLISY TENY AN-KIANJA NY MINISITRY NY FILAMINAMBAHOAKA.

Vous pourrez aussi aimer