– Famahana ny olan’ny fifamoivoizana.
– Nametraka rindran-damina hiarahana ny Polisimpirenena sy ny Zandary miasa amin’ny lalam-pirenena voalohany (RN1) mba hahafahana manamaivana ny fitohanana misy eo Anosizato.
– Hampitomboina ireo Polisy miasa eny an-toerana ary ho hentitra kokoa manoloana ireo mety ho endrika tsy fanarahan-dalàna izay mahatonga ny fitohanana lavareny.
– Tonga nijery ny zava misy teny an-toerana ny Talem-paritry ny Filaminambahoaka Analamanga, ny Commissaire Principal de Police RAFALIMANANA Alain Adonis, ny zoma faha 02 Janoary 2026, ary nanome toromarika ireo mpitandro ny filaminana izay miasa manodidina ny « rond point » Anosizato.
– Hisy ny lamina vaovao tahaka ny fampitoviana ny fifandraisana amin’ny « radio » an’ny Polisimpirenena sy ny Zandarimaria izay miasa eo Anosizato sy ny lalam-pirenena voalohany.
– Mbola hisy ny fivoriana hiarahana amin’ireo tompon’andraikitra rehetra voakasika amin’izany toy ny lehiben’ny Distrika sy ny Ben’ny Tanàna.
– Na izany na tsy izany manentana ny mpampiasa lalana rehetra ny Polisimpirenena mba hanaraka ny toromarika amin’ny fandaminana ny fifamoivoizana mba hisorohana ny fitohanana lavareny.
FITOHANAN’NY FIFAMOIVOIZANA EO ANOSIZATO : NIJERY NY FOMBA AHAFAHANA MANAMAIVANA IZANY IREO TOMPON’ANDRAIKITRA AVY AMIN’NY POLISIMPIRENENA NOTARIHIN’NY TALEM-PARITRY NY FILAMINAMBAHOAKA ANALAMANGA