– Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana.
– Ny alin’ny 04 Janoary 2026, tokony ho tamin’ny 11 ora alina, lehilahy iray no voasambotry ny Polisimpirenena teo am-panendahana taxi-moto teny Andranomena, manodidina ny fiantsonan’ny taxibe 194.
– Mody nanao mpandeha tamin’io taxi moto io ity lehilahy ity ary nisy namany iray hafa nandeha tamina taxi moto hafa ka rehefa tonga teo Andranomena, izay voalaza fa hanaterana azy no novelesiny tamin’ny tavoahangy tampoka ny lohan’ilay taxi moto mba hahafahana maka ilay moto.
– Nahavita niantso vonjy ilay mpitondra taxi moto ka henon’ny Polisin’ny Compagnie Urbaine d’Intervention izay nanao fisafoana teny amin’ny manodidina.
– Nirotsaka an-tsehatra nandray ny andraikiny ny Polisy ka tratra ambodiomby ity mpanendaka ity raha tafaporitsaka kosa ny namany.
– Notanana hatao andri-maso sy hanaovana fanadihadiana izy mialohan’ny hanolorana azy amin’ny fampanoavana, ilay moto efa tafaverina amin’ny tompony.

 

MPANENDAKA TAXI MOTO IRAY TRATRA AMBODIOMBY TENY ANDRANOMENA, VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA.

Vous pourrez aussi aimer