– Ady amin’ny fidorohana sy fiparitahan’ny zava-mahadomelina.
– Lehilahy miisa efatra no voasambotry ny Sampandraharaha Miady amin’ny Zava-mahadomelina Anosy (STUP) ny Alatsinainy 05 Janoary 2026 tetsy Antohomadinika, noho ny fidorohana sy fitanana zava-mahadomelina mahery vaika rôrô.
– Vaovao avy amin’ny olona tsara sitrapo no nahafahan’ny Polisy nisambotra azy ireo.
– Nandritra ny fisavana dia mbola tratra teny amin’ireto mpidoroka ireto ny fonosana rôrô miisa valo. Noentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny Polisy izy ireo ho fanokafana fanadihadiana mikasika ity raharaha ity.

 

LEHILAHY MPIDOROKA RÔRÔ MIISA EFATRA VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA NOHO NY FITANANA SY FIDOROHANA ITY ZAVA-MAHADOMELINA MAHERY VAIKA ITY TETSY ANTOHOMADINIKA.

Vous pourrez aussi aimer