– Ady amin’ny fipariahan’ny zava-mahadomelina.
– Ny 07 Janoary 2026 maraina, taorin’ny angom-baovao mari-pototra, nidina ifotony tany amin’ny faritra Ambondro Ambatomitsangana, Fokontany Andranovoribe Massiso ny Polisimpirenena avy ao amin’ny CRFIP Melaky, ka lehilahy iray mpamboly rongony no voasambotra ary mbola tratra tao amin’ny trano fonenany ny zanaka rongony miisa 151 fototra sy fonosana miisa 33.
– Nentina eny anivon’ny Sampan-draharaha miady amin’ny fandikan-dalana Melaky ny raharaha ary mitohy ny fanadihadiana.

 

 

MAINTIRANO : MPAMBOLY RONGONY VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA.

Vous pourrez aussi aimer