– Tontosa ny Alakamisy faha 08 Janoary 2025, tetsy amin’ny Espace Rose By-pass, ny lanonana ofisialy fametrahana galona ho an’ireo manamboninahitra ambony eto anivon’ny Polisimpirenena izay nahazo ny laharam-boninahitra Contrôleur Général de Police sy Commissaire Divisionnaire de Police.
– Nitarika ny lanonana ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka, ny Contrôleur Général de Police RANJAVOLOLONA Julie Claudette, niaraka tamin’ny Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena, ny Contrôleur Général de Police TSARAMONINA Ravony Jean Victor.
– Nambaran-dramatoa Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka nandritra ny lahateniny fa manantena fandraisana andraikitra feno, homban’ny fahaiza-mitanana ary vokatra mivaingana ny Polisimpirenena fa indrindra ny vahoaka, ho an’ireo izay niakatra laharam-boninahitra.
– Nisolo tena ireo izay nahazo fiakarana laharam-boninahitra, ka nandray fitenenana ho fisaorana ny Fitondram-panjakana ny Tale Jeneraly Lefitry ny Polisimpirenena, ny Contrôleur Général de Police SERALY Hercule. Notsindriany manokana ny fankasitrahana ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny Praiministra lehiben’ny Governemanta ary ny Minisitry ny Filaminambahoaka izay angady nananana nazahoana izao fisondrotana izao. Nanome toky izy fa hanao ny fara heriny izy ireo amin’ny asa andavan’andro, hiaro ny vahoaka sy ny fanananany.

MINISITERAN’NY FILAMINAMBAHOAKA : TONTOSA NY FAMETRAHANA NY GALONA HO AN’IREO NISONDROTRA LAHARAM-BONINAHITRA CONTROLEUR GENERAL DE POLICE SY COMMISSAIRE DIVISIONNAIRE DE POLICE.

Vous pourrez aussi aimer