– Lehilahy iray no voasambotry ny Polisy miasa eo anivon’ny CRFIP Atsimo Atsinanana ny Talata faha 13 Janoary 2026 noho ny raharaha halatra sy fikasana hivarotra taolam-paty tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Anosivelo, Distrikan’i Farafangana.
– Rehefa nahazo vaovao avy amin’olona tsara sitrapo ny Polisimpirenena amin’ny fisian’ity lehilahy nivarotra taolam-paty ity dia nanao vela-pandrika sy ny paikady ahafahana misambotra azy.
– Mbola tratra teny aminy ireo taolam-paty miisa 48 ary fantatra fa mbola misy namany karohina amin’izao raharaha izao.
– Nentinta teny amin’ny birao hanokafana fanadihadiana ity lehilahy ity mialohan’ny hanolorana azy eo anatrehan’ny fampanoavana.

 

KAOMININA ANOSIVELO, DISTRIKAN’I FARAFANGANA : LEHILAHY IRAY NIVAROTRA TAOLAM-PATY VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA.

Vous pourrez aussi aimer