-Nanomboka ny Alatsinainy 02 Febroary 2026, teny amin’ny Fitaleavana misahana ny Fikarohana sy ny Fampiofanana Mitohy (DRFC) Antanimora, ny fampiofanana sy fanampi-pahaizana momba ny “Fitondrana sy Fanarahamaso ny Fanadihadiana eo amin’ny fikarohana fandikan-dalàna” ho an’ireo Polisimpirenena nivoaka ny sekoly ny volana Desambra 2025, dia ny andiany MENDRIKA sy ny andiany MANEVA.
-Nanome voninahitra sy nanokatra tamin’ny fomba ofisialy izany ny Sekretera Jeneraly eto anivon’ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police RANJAVOLOLONA Julie Claudette.
-Tanjon’ny fampiofanana ny hananan’ireo Polisimpirenena ny fahaiza-manao matihanina tanteraka, vokatra mivaingana amin’ny fahitàna ny marina eo amin’ny famotorana sy fanadihadiana, ka hitondra fahombiazana amin’ny fikarohana fandikan-dalàna.
-Ny fananan’ny Polisimpirenena traikefa toy izao no antoka amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana sy hahafahana mametraka ny fanjakàna tan-dalàna.
-Haharitra folo andro in-droa mian-taona ny fiofanana ka ireo Commissaire de Police avy amin’ny andiany MENDRIKA sy ireo Inspecteur de Police avy amin’ny andiany MANEVA no miatrika izany voalohany ary harahin’ireo Officier de Police sy ireo ampahan’ny Inspecteur de Police avy amin’ny andiany MANEVA.




