-Ady amin’ny fidorohana sy fipariahan’ny zava-mahadomelina
-Ny 31 janoary 2026 dia naharay loharanom-baovao avy amin’olona tsara sitrapo ny Polisy miasa ao Antsiranana fa misy olona mivarotra sy midoroka cocaïne ao Tanambao IV. Nidina ifotony teny an-toerana avy hatrany ny Polisy avy ao amin’ny FIP nanamarina izany.
-Olona miisa telo no tratra tao amin’ilay trano ka ny iray amin’izy ireo no mpivarotra, ny roa kosa mpidoroka. Nanditra ny fiasavàna ny trano dia mbola nahatratrarana cocaïne sy ireo fitaovana fampiasan’izy ireo hinanana ity zava-mahadomelina ity.
-Tao anatin’ny fanadihadiana no nanondro lehilahy iray hafa ihany koa izy ireo izay fantatra fa isan’ireo mpamatsy sy mpivarotra ity zava-madomelina ity ao an-toerana. Voasambotra ny 3 febroary ity lehilahy ity tao amin’ny fokontany Mahavokatra. Cocaine milanja telo grama no hita tao amin’ny nandritra ny fisavàna izay efa vita fonosana sy efa mifangaro amin’ny karazana zava-mahadomelina hafa antsoina toy ny “cristal”.
-Atao famotorana ao amin’ny biraon’ny Polisy avokoa ireo olona voasambotra ary rehefa vita izany dia ho atolotra ny fampanoavana any an-toerana.
