Tontosa ny Talata 10 Febroary 2026, tetsy amin’ny fitaleavana misahana ny fikarohana sy ny fampiofanana mitohy eo anivon’ny Minisiteran’ny filaminambahoaka DRFC Antanimora, ny famaranana amin’ny fomba ofisialy ny fampiofanana ho fampitomboana ny fahaiza-manaon’ireo Polisy misahana ny fifamoivoizana ho an’ny andiany Maneva.

Polisy miisa 500 no nandray anjara tamin’izany, ary 11 andro no naharetan’ny fiofanana.
Nandritra izany koa no nanolorana ny mari-pankasitrahana ho an’ireo Polisy mpampiofana miisa 5, izay nitoto nahafotsy sy nikarakara ny fiofanana.

Nitarika ity lanonana ity ny Tale Jeneraly Lefitry ny Polisimpirenena, ny Contrôleur Général de Police SERALY Hercule, izay nanasongadina tao anatin’ny lahateniny fa natao izao fiofanana izao mba hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo Polisy ka hahatonga azy ireo ho matihanina amin’ny asa fandaminana ny fifamoivoizana.Namporisika hatrany ireo Polisy mba hanatsara sy hampitombo ny fahaiza-manaony eo amin’ny sehatry ny asa ny Tale misahana ny Fikarohana sy ny Fampiofanana Mitohy (DRFC),ny Commissaire Divisionnaire de Police OSTROM Whenss.

FAMPIOFANANA MITOHY EO ANIVON’NY MINISTERAN’NY FILAMINAMBAHOAKA : POLISY MIISA 500 AVY AMIN’NY ANDIANY MANEVA NAHAZO FAMPIOFANANA HO FAMPITOMBOANA NY FAHAIZA-MANAO MOMBA NY FANDRINDRANA NY FIFAMOIVOIZANA

Vous pourrez aussi aimer