🌿 Rongony milanja 588 kilao, nifono tao anaty gony miisa 48, no saron’ny Polisy avy ao amin’ny Sampandraharaha miady amin’ny zava-mahadomelina (Stup) ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminambahoaka Matsiatra Ambony.
📍 Ny 09 febroary 2026 atoandro, no nahatratrarana ity rongony ity teo amin’ny fokontany Iboaka, kaominina Alakamisy Ambohimaha, amin’ny lalam-pirenena faha 7. Nandritra ny fitsirihana nataon’ny Polisy no nahitàna ireto rongony ireto tao anatin’ny fiara ary nokasaina entina teto Antananarivo.
🔎 Mbola mitohy ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity.