-Fitsinjovana ny lafiny maha olona
-Ny 13 Febroary 2026 hariva dia nitsidika sy naneho fiaraha-miory tamin’ny fianakavian’ny Polisy nodimandry, ny Brigadier Chef de Police RATIVOSON Charles tao Tsarahonenana ny delegasionan’ny Polisimpirenena notarihin’ny Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena, ny Contrôleur Général de Police TSARAMONINA Jean Victor, sady iraky ny Minisitry ny Filaminambahoaka, izay nampita hafatra fampaherezana avy amin’Andriamatoa Minisitry ny Filaminambahoaka sy ny Polisimpirenena manontolo.
-Ny 14 Febroary 2026 maraina indray, nitarika ny fampivondronona sy fivoriambe tao amin’ny Commissariat Central Toamasina ny Tale jeneralin’ny Polisimpirenena ka nanolotra fanampiana ho an’ireo Polisy traboina vokatry ny rivodoza.
-Nandritra izany dia nanentana ny Polisimpirenena rehetra mba hanamafy ny firaisankina sy hanatanteraka ny asa amim-pahombiazana sy matihanina ny Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena.

 

TOAMASINA, FIARAHA-MIORY AMIN’NY FIANAKAVIAN’NY POLISY NAMOY NY AINY SY FANAMPIANA IREO POLISIMPIRENENA TRABOINA VOKATRY NY RIVODOZA GEZANI, TSY MANADINO AZY IREO NY MINISITERAN’NY FILAMINAMBAHOAKA

Vous pourrez aussi aimer