– Fijerena ny lafiny maha olona.
‎- Tontosa ny Sabotsy faha 14 Febroary 2026 teny amin’ny Sekolim-pirenena Ambony ho an’ny Polisy (ENSP) Ivato , ny lanonana ofisialy fametrahana galona ho an’ireo Polisimpirenena niakatra laharam-boninahitra ho Commissaire de Police, Officier de Police ary Inspecteur de Police.
‎- Nitarika ny lanonana ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police ERICK MICHEL. Nahafahana nahazo izao fisondrotana eto anivon’ny Polisimpirenena izao ny fanomezan-dalana avy amin’ny Filohan’ny Fanavaoazana ny Repoblikan’i Madagasikara hoy ny Minisitry ny Filaminambahoaka nandritra ny fandraisam-pitenenana nataony ka nitondra fankasitrahana manokana noho izany ny tenany.
– Notsindrian’Andriamatoa Minisitra fa mitaky vokatra eo amin’ny asa sahanina andavan’andro any amin’ny sampan-draharaha tsirairay avy hiasàna izao fiakarana amin’ny laharam-boninahitra izao ka nankahery an’ireto Polisimpirenena ireto Andriamatoa Minisitra.
– Samy nanatontosa ny lanonana fametrahana ny galona tahaka izao ihany koa ireo Fitaleavam-paritry ny Filaminambahoaka manerana an‘i Madagasikara.

TONTOSA TENY AMIN’NY SEKOLIM-PIRENENA AMBONY HO AN’NY POLISY (ENSP) IVATO NY LANONANA FAMETRAHANA NY GALONA HO AN’IREO POLISIMPIRENENA NAHAZO LAHARAM-BONINAHITRA COMMISSAIRE DE POLICE SY OFFICIER DE POLICE ARY INSPECTEUR DE POLICE.

Vous pourrez aussi aimer