-Ady amin’ny heloka mamoafady sy ny herisetra ara-nofo
-Lehilahy iray 32 taona no voasambotry ny Polisimpirenena avy ao amin’ny Sampan-draharaha misahana ny ady amin’ny heloka anabaka (Cybercriminalité) Anosy ny Talata 10 febroary 2026.
– Naharay fitoriana avy amin’ny vehivavy miisa roa ny Polisimpirenena, noho ny fanolanana sy fikasàna hanaparitaka horonantsary mamoafady nalain’io lehilahy io an-tsikosoko tamin’ny fotoana niarahany ary miampy fitakiana vola tsy amin-drariny izany.
– Fantatra nandritra ny fanadihadiana nataon’ny Polisimpirenena fa hiarahan’ity lehilahy ity ireo vehivavy ireo ary omeny zava-mahadomelina mampalemy ka tsy afaka mamaly amin’ny filan-dratsiny, no sady alainy sary. Rahonany aorian’izay fa ho aparitaka ny horonan-tsary raha tsy manome vola azy na manaiky miaraka aminy ihany.
- Nandritra ny famotorana dia niaiky ny heloka vitany ity lehilahy ity. Tratra tany aminy ihany koa ny porofo rehetra tamin’ireo heloka ireo.
Natolotra ny fampanoavana ny 16 Febroary 2026 ny raharaha ka nidoboka am-ponja eny Tsiafahy ity lehilahy ity.
