-Ady amin’ny tsy fandriampahalemana
-Lehilahy roa no voasambotry ny Polisin’ny UIR miasa ao amin’ny Kaomisaria Foibe Avaradrano, teny amin’ny manodidina ny reniranon’i Imamba, tsy lavitra ny toby famatsiana solika Jovenna, ny alin’ny 15 febroary 2026.
-Nisy antso vonjy nataon’olona iray niharan’ny asa ratsin’ireto jiolahy ireto no nahafahan’ny mpitandro filaminana nandray andraikitra haingana. Raha nahare izany ireo Polisimpirenena nanao fisafoana tsy lavitra teo dia niditra an-tsehatra ka nanenjika sy nisambotra ireto mpanendaka ireto.
-Tratra teny amin’izy ireo ny fitaovam-piadiana fampiasany amin’ny fanendahana.
-Nentina teny amin’ny Kaomisaria Foibe Avaradrano izy roalahy hanaovana fanadihadiana ary ho atolotra ny Fampanoavana rehefa vita izany.
