– Lehilahy roa no voasambotry ny Polisimpirenena miasa ao amin’ny Kaomisaria Antanifotsy, noho ny fanolanana zazavavy 16 taona.
– Ny 16 febroary 2026, no nitrangan’ny fanolanana tamin’io zazavavy io raha nandeha bisikilety tamina lalana somary tsy be mpandalo izy. Nametraka fitarainana tao amin’ny Kaomisaria ity lasibatra ity sy ny fianakaviany. Fantatra fa lasan’ireo roalahy nanao izany fihetsika mamoafady izany ihany koa ny ny kitapony sy finday roa.
– Nanao ny fikarohana sy fanadihadiana rehetra ny Polisy ka voasambotra ny 19 febroary 2026 ireo lehilahy roa nanao ny fanolanana.
– Rehefa niakatra fampanoavana ny raharaha ny 20 Febroary 2026 dia nidoboka am-ponja izy roalahy ireto.