📅Ny 25 febroary 2026,  notohizana ny hetsika tolo-tanana notanterahin’ny FIVAPOVA Nasionaly ho an’ireo Polisimpirenena sy ny fianakaviany niharam-boina nandritra ny rivodoza farany teo, tao Toamasina.

🟢Natomboka tamin’ny fitsidihana ny akanin’ny Masera mitaiza ireo olona manana fahasembanana ny hetsika, nitarika ny FIVAPOVA tamin’ity fotoana ity ny filoham-boninahitra, Ramatoa ERICK MICHEL Lantosoa ; narahan’ny mpandrindra nasionaly, Ramatoa TSARAMONINA Fanjanirina sy ny Filoha Nasionaly,  ny Commissaire Principal de Police HAJANOMENA Razafindrasoa Bernadette ;  niara-dia tamin’izy ireo ny mpandrindra ny Fitsirihana anatiny eto anivon’ny Polisimpirenena, ny Contrôleur Général de Police MARINJAHA Vavitafika Vololonandro izay sady mpikamban’ny FIVAPOVA rahateo.   Fanomezana maro no natolotra toy ny vary ary akanjo fitafy ; izay tena ilaina noho ny takaitra napetrak’iny voina iny.

🙌Nifanotrona tamin’ny FIVAPOVA  Nasionaly tamin’izao voin-kava mahatratra izao ny FIVAPOVA Atsinanana, Alaotra mangoro ary Analanjirofo.

🌟Taorian’ny fitsidihana ity akany ity dia natao tao amin’ny Fitaleavam-paeritry ny Filaminambahoaka Atsinanana ny fanolorana fanampiana ho an’ireo Polisimpirenena sy ny fianakaviany niharam-boina.

đź’ Tonga nanatrika izany ho fanehoana firaisan-kina andriamatoa Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur GĂ©nĂ©ral de Police ERICK MICHEL ;  ireo avy amin’ny sampana misahana ny raharaha sosialy (DAS) avy amin’ny fiadidiana ny Repoblika ary ireo lehiben’ny sampandraharaha isan-tsokajiny any an-toerana.

 

Vous pourrez aussi aimer