– Tonga nitsidika ny seranan-tsambon’i Toamasina ny 26 Febroary 2026 ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police ERICK MICHEL, nandray azy tamin’izany ny Tale Jeneralin’ny SPAT (Société du Port à Gestion Autonome de Toamasina), Andriamatoa ANDRIAMBAHOAKA Anicet Heritiana, izay naneho fisaorana manokana ny Polisimpirenena noho ny fanampiana lehibe tamin’ny fiambenana ny seranan-tsambo ; ny fandrindràna ny fivezivezen’ny entana sy ny olona, nandritra sy taorinan’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani.
– Nihaona tamin’ireo Polisimpirenena miasa ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina Andriamatoa Minisitra. Nandritra izany no nanomezany toromarika momba ny hanohizana ireo asa tsara efa natomboka, ary nanentana hatrany izy mba hanohy ny hanamafisana ny fandriam-pahalemana.
TONGA NITSIDIKA NY SERANAN-TSAMBON’I TOAMASINA NO SADY NIHAONA TAMIN’IREO POLISIMPIRENENA MIASA AO NY MINISITRY NY FILAMINAMBAHOAKA.