-Ady amin’ny tsy fandriampahalemana sy ny halatra omby.
-Nitrangàna halatra omby tao amin’ny fokontany Mahabo, kaominina ambanivohitra Anosivelo Farafangana, ny marainan’ny Alatsinainy faha-30 Martsa 202.
-Nampandre ny Polisin’ny FIP manao sakana tao Anosivelo ireo Fokonolona ka raikitra ny fanarahan-dia miaraka.
– Raha vantany vao tsikaritr’ireo dahalo fa misy mpitandro filaminana sy fokonolona maro manaraka azy ireo dia navelany ireo omby miisa 06 ary nandositra izy ireo.
Taorian’izany dia voamarina fa ireo omby very ireo tokoa no hita, ary efa tafaverina soa aman-tsara amin’ny tompony.
-Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny Polisimpirenena momba ity raharaha ity.
– Azo lazaina fa mahomby ny fametrahana sakana ataon’ny Polisimpirenena ao Anosivelo satria toerana ataon’ireo dahalo lalana rehefa mitondra omby. Nahomby ihany koa ny fandraisana andraikitry ny fokonolona miaraka amin’ny mpitandro ny filaminana ka izao nahitàm-bokany izany.

 

DISTRIKAN’I FARAFANGANA, FOKONTANY MAHABO, KAOMININA ANOSIVELO, TAFAVERIN’NY POLISIMPIRENENA SOAMANTSARA IREO OMBY MIISA 06 NANGALARIN’NY DAHALO

Vous pourrez aussi aimer