-Ady amin’ny tsy fandriampahalemana.
- Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny Polisimpirenena ao amin’ny Faritra Vakinankaratra amin’ny fanatanterahana ny « Opération Mahomby » . Olona telo nangalatra moto indray no tratran’ny Polisimpirenena.
– Ny 11 Martsa 2026 no nisy halatra miaharo vaky trano tao Andranomandevy. Lasan’ireo mpanao ratsy tamin’izany ny môtô scooter « marque Cygnus », bisikileta iray ary akoho miisa 35. Taorian’ny fitoriana nataon’ny niharam-boina; nanao fikarohana ny Polisimpirenena ka fantatra ny toerana misy ireo tomponantoka tamin’izany vaky trano izany.
-Ny 26 Martsa 2026, voasambotra tao Andranomandevy ihany ireo lehilahy roa tompon’antoka tamin’ny vaky trano sy ny vehivavy iray hafa mpanafina ny entana halatra azo.
- Nandritra ny fisavàna natao tao an-tranon’ilay mpanafina entana dia hita tao ilay môtô scooter very. Efa lafon’izy ireo ny bisikileta sy ireo akoho 35.
– Natolotra ny Fampanoavana ny 30 martsa 2026 ka nampidirina am-ponja vonjimaika avokoa izy telo reto.
- Ny Polisim-pirenena dia mijoro hatrany manao ny tamberin’andraikitra amin’ny vahoaka mba ho fiarovana ny olona sy ny fananany.
