– Polisimpirenena manakaiky ny vahoaka.
– Tsy amin’ny fomba fiasa ihany no mampihatra ny fanakaikezana ny vahoaka ny Polisimpirenena, eo koa ny fanapariahana ny olombelona sy ny fotodrafitrasa ho eny ifotony. Isan’izany ity toeram-piasàna vaovao ho an’ny Polisy ao Mangarivotra ao Tsiroanomandidy ity.
– Notanterahina ny 01 Aprily 2026 tokoa mantsy ny fametrahana ny vato fototry ny fananganana ny « Vigie de Police » ao Mangarivotra, Tsiroanomandidy.
– Tonga nanome voninahitra izany fametrahana ny vato fototra izany ny Talem-paritry ny Filaminambahoaka Bongolava, ny Commissaire Divisionnaire de Police RAZAFIARISON Elutin, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, ny mpanolotsain’ny tanàna ao Tsiroanomandidy, ireo mpitantana ao amin’ny fokontany Mangarivotra, ny komitin’ny andrimasom-pokonolona ary ny mponina ao an-toerana.
– Ny fananganana izao « Vigie de Police » izao dia natao hanamafisana ny fandriam-pahalemana ary hampihenana ny asan-jiolahy sy ny tsy fandriam-pahalemana ao Mangarivotra.

