– Polisimpirenena manakaiky ny vahoaka.
– Ho fanakaikezana hatrany ny vahoaka sy ho fanatsaràna ny tolotra omena ny olom-pirenena izay laharam-pahamehana apetraky ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka dia notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny 9 Aprily 2026 ny toeram-pitsaboana sy birao vaovao ho an’ny Polisy misahana ny fifamoivoizana etsy amin’ny Kaomisaria Foibe Tsaralalàna. Niara-dalana tamin’izany ny fitokanana ny toeram-pivarotana fitafiana amin’ny asa sy kojakoja ho an’ireo Polisimpirenena, ary natolotra ihany koa ireo fotodrafitrasa hafa toy ny andrin-tsaina sy fanavaozana ny ivelany sy anatiny ao amin’ny Kaomisaria Foibe.
– Nitarika ny lanonana ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police ERICK MICHEL, notronin’ny Sekretera Jeneralin’ny Minisitera, ny Contrôleur Général de Police RANJAVOLOLONA Julie Claudette, ny Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena, ny Contrôleur Général de Police TSARAMONINA Ravony Jean Victor, ny mpandrindra ireo sampana Fitsirihana anatiny eo anivon’ny Polisimpirenena, ny Contrôleur Général de Police MARINJAHA Vavitafika, ny Tale Jeneraly Lefitry ny Polisimpirenena, ny Contrôleur Général de Police SERALY Hercule ary ireo Tale isan-tsokajiny sy tompon’andraikitra ambony ao amin’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka sy ny Polisimpirenena.
– Mariky ny firosoan’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka sy ny Polisimpirenena amin’ny Fihavaozana sy Fanavaozana izao asa mivaingana izao hoy Andriamatoa Minisitry ny Filaminambahoaka raha nandray fitenenana.
– Notsindrian’Andriamatoa Minisitry ny Filaminambahoaka fa tsy amin’ny fametrahana fotodrafitrasa vaovao sy fikolokoloana ny efa eo an-tanana ihany no imatimatesan’ny Polisimpirenena amin’ny fanatsaràna hatrany ny tolotra omena ny vahoaka ; tanjona tokony harahina ny fanatsaràna ihany koa ny fepetra ara-tsosialy ; na ho an’ny mpiasam-panjakàna ao amin’ny Polisimpirenena, na ho an’ny vahoaka. Ny fanakaikezana hatrany ny vahoaka ary ny fiaraha-mientana hametrahana ny filaminana.
– Tarigetra ny Polisy madio sy milamina, maodely ho an’ny rehetra ary matihanina eo amin’ny fomba fiasa.
– Ankoatra ireo Polisimpirenena izay hisitraka mivantana ity toeram-pitsaboana ity dia raisina an-tanana eto ihany koa ireo olona mivezivezy ao amin’ny Kaomisaria Foibe Tsaralalàna izay tsy latsaky ny 350 isan’andro.
– Ho fanajàna ny zon’olombelona dia eo ihany koa ny fandraisana an-tanana ireo atao famotorana raha tojo tsy fahasalamàna.

COMMISSARIAT CENTRAL TSARALALANA : NITOKANA TOERAM-PITSABOANA, BIRAON’NY POLISY MISAHANA NY FIFAMOIVOIZANA, MANAVAO NY FOMBA FIASA HATRANY.

Vous pourrez aussi aimer