FITANDROANA NY FILAMINANA MIALOHA, MANDRITRA ARY AORIAN’NY FANKALAZANA NY FAHA 65 TAONA NIVERENAN’NY FAHALEOVANTENA : NANKAHERY IREO POLISY MIASA MANDRITRA NY ALINA NY MINISITRY NY FILAMINAMBAHOAKA

👉Polisimpirenena miaro sy manampy ny vahoaka ✅Nanatanteraka fidinana ifotony amin’ny alina teny amin’ireo toerana hiasan’ny Polisimpirenena ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala, ny alin’ny 23 Jona 2025. ➡️Nanotrona azy tamin’izany ireo tale maro sy tompon’andraikitra

NITOHY TETSY AMIN’NY EKAR KATEDRALY ANDOHALO NY FANOMPOAM-PIVAVAHANA HO FANKALAZANA NY FAHA 65-TAONA NIVERENAN’NY FAHALEOVANTENA NIARAHAN’NY HERY FIAROAVANA SY FILAMINANA ARY NANASANA NY MPIRAY TANINDRAZANA IHANY KOA TAMIN’NY FIOMBONAM-BAVAKA

Fotoam-pivavahana teny amin’ny EKAR KATEDRALY Andohalo no nanohizan’ny Hery Fiaraovana sy Filaminana ny fankalazana ny faha 65 taonany niverenan’ny Fahaleovantenam-pirenena Malagasy ny alahady faha 22 jona 2025 tolakandro. ➡️Nitarika ny fotoana tamin’ izany ireo mpitondra fivavahana avy amin’ny fiangonana FFKM.

FAMPISEHOANA MIAVAKA NATAON’NY HERY FIAROVANA SY FILAMINANA TETSY AMIN’NY KIANJA MAKIS ANDOHATAPENAKA : HITA TARATRA NY FIRAISAN-KINA EO AMIN’IREO MPITANDRO NY FILAMINANA MALAGASY

Hetsika tafiditra anatin’ny fankalazàna ny faha 65 taona niverenan’ny fahaleovantenam-pirenena ny hetsika nampisehoana ny fahaiza-manao ara-tafika sy ara-tekinika nataon’ireo Hery Fiarovana sy Filaminana malagasy izay ahitàna ny Tafika, ny Polisimpirenena ary ny Zandarimariam-pirenena, tetsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka ny tolakandro

FAMPANDRAISANA ANDRAIKITRA NY TANORA, FANENTANANA AMIN’NY FITIAVAN-TANINDRAZANA SY NY MAHA OLOM-PIRENENA VANONA : NIHAONA TAMIN’NY MPIANATRA TAO AMIN’NY LYCÉE LA PRIMAIRE ANDOHATAPENAKA NY POLISIN’NY KAOMISARIA 67HA NIARAKA TAMIN’NY BFP

Polisimpirenena manakaiky ny vahoaka ➡️Manan-danja amin’ny asa fampandriana fahalemana ny fandraisana andraikitry ny olom-pirenana ka tsy ataon’ny Polisimpirenana ho ankila-bao ny fanabeazana sy fanentanana ny mpiray tanindrazana. ➡️Araka izany, nanatanteraka fanentanana amin’ny fampandraisana andraikitra ny tanora eo anatrehan’ny fiarahamonina sy

HEALTH FAIR 2025 : HETSIKA FITSABOANA HO AN’NY DAHOLOBE NOKARAKARAIN’NY FIANGONANA ADVANTISTA SY NY LOMA LINDA UNIVERSITY AVY ANY ETAZONIA, TAFIDITRA ANATIN’NY FANKALAZANA NY FAHA 65 TAONAN’NY FAHALEOVAN-TENA

Tontosa ny 18 Jona 2025 tao amin’ny Kianja Barea Mahamasina ny hetsika ara-pahasalamana Health Fair 2025, nokarakarain’ny Fiangonana Advantista sy ny Loma Linda University avy any Etazonia. Tanjon’ny hetsika ny hanomezana fitsaboana sy fitiliana maimaim-poana, ary koa ny hanentanana ny