👉Polisimpirenena Miaro sy Manampy ny Vahoaka
✅Tanjona apetraky ny Polisimpirenena ny hizoran’ny fetin’ny Paska anatin’ny fandriampahalemana manerana ny Nosy hoy ny Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena, ny Contrôleur Général de Police RAKOTOZANANY Dany Marius androany. Hohamafisina araka izany ny fitandroana ny filaminana mialoha, mandritra ary aorian’ny fetin’ny Paska manerana an’i Madagasikara ; ho an’ny faritra Analamanga manokana dia hampitomboana isa ireo Polisimpirenena misehatra eny an-kianja. Misy ny lamina sy paikady efa napetraka mahakasika izany ary hohamafisina manokana ny fisafoana izay hiarahana miasa amin’ny Hery Fiarovana sy Filaminana rehetra dia ny Zandarimariam-pirenena ary ny Tafika malagasy.
✅Tsy latsa-danja amin’izany ny fitandroana ny filaminana mandritra ny fitsidihana ofisialy ataon’ny Filoham-pirenena vahiny eto Madagasikara sy ny fivoriam-ben’ny Komision’ny Ranomasimbe Indiana (COI) izay ho atao eto amintsika. Mandray anjara mavitrika amin’izany ny Polisimpirenena raha ny nambaran’ny Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena androany.
➡️Manohy ny asa tsy tapaka ireo sampandraharahan’ny Polisimpirenena rehetra amin’ny fitandroana ny filaminana ka manentana ny olom-pirenena tsy hisalasala hampilaza eny amin’ny Biraon’ny Polisy na amin’ireo Polisy izay miasa eny an-kianja ny Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena raha misy trangana tsy fandriam-pahalemana.

FITANDROANA NY FILAMINANA MANDRITRA NY FANKALAZANA NY FETIN’NY PASKA SY NY FAHATONGAVAN’IREO FILOHAM-PIRENENA SY VAHINY MANAN-KAJA, MANDRITRA NY FIVORIAM-BEN’NY KOMISION’NY RANOMASIMBE INDIANA