– Fijerena ny lafiny maha-olona
– Tontosa tao amin’ny efitrano fianarana informatika ao amin’ny Akany Ambatolampy, ny Sabotsy 29 Novambra 2025, ny fanolorana fampitaovana internet farany sy connexion Internet ho an’ireo zaza kambotin’ny Polisimpirenena.
– Natao indrindra mba hanampiana ireo ankizy mpianatra amin’ny fikarohana, ary koa hampitombo ny fahalalan’izy ireo izany.
– Nanolotra izany teny an-toerana Andriamatoa BRET sy Ramatoa SUZANNE BUTLER, mpiara-miombon’antoka mpilatsaka an-tsitrapo mpanao asa soa avy any Amerika, niaraka tamin’ Andriamatoa RASAMOELA Fanomezantsoa Patrick Henri, Mpanolotsaina ara-tekinika eo anivon’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka.
– Nisaotra sy nankasitraka azy ireo ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka, ny Contrôleur Général de Police RANJAVOLOLONA Julie Claudette, niaraka tamin’ireo tomponandraikitra ambony eto anivon’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka sy ny Polisimpirenena.
– Nandrisika sy nankahery ireo ankizy ihany koa izy mba hiezaka sy hilofo mafy amin’ny fianarana, indrindra hanararaotra hanovo fahalalana ary hitombo fahendrena hatrany.

