– Ady amin’ny halatra isan-karazany
– Antoandro be nanahary no nidiran’ity lehilahy iray ity antsokosoko tao an-tranon’olona iray ao Antohomadinika, nangalany ny fahitalavitra « Ecran Plat » sy ireo kojakoja samihafa tao an-trano ny andron’ny 28 Novambra 2025. Nandeha niantsena ny tompon-trano ka teo no nanararaotany.
– Tsikaritr’ireo mpifanila vodirindrina anefa ny fidiran’ity olona tsy fantatra ity tao amin’ilay trano ka nampandre ny Polisy avy ao amin’ny Poste de Police Antaniavo izy ireo.
– Vokany, nifanena tamin’ny mpitandro filaminana izy teo ampitaterana ireo entana ka noraisim-potsiny.
– Nentina natao fanadihadiana tao amin’ny biraon’ny Polisy izy alohan’ny hanolorana azy eo anatrehan’ny fampanoavana.
VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA ILAY LEHILAHY IRAY MALAZA RATSY AMIN’NY RESAKA VAKY TRANO TETSY ANTOHOMADINIKA
