– Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana.
– Nandritry ny fisafoana izay ataon’ny Polisimpirenena eto Antananarivo sy ny manodidina, ny alin’ny Alatsinainy 12 janoary 2026 no nahatratra lehilahy iray nitondra zava-mahadomelina mahery vaika rôrô anaty fonosana kely miisa 10, niaraka tamin’ny rongony efa voafono, ny Polisy avy ao amin’ny CUI Tsaralalàna.
– Nentina eny amin’ny kaomisaria foibe Tsaralalàna ilay voasambotra hanaovana fanadihadiana sy hatao andri-maso.
– Mampitombo ny fisafoana na alina na atoandro ny Polisimpirenena manoloana ny firongatry ny tsy fandriam-pahalemana eto Antananarivo.
– Miantso sy manentana ny olom-pirenena mba ho sahy hitoroka ireo olon-dratsy mialokaloka anaty fiaraha-monina.
LEHILAHY IRAY NITONDRA RÔRÔ VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA NANDRITRA NY FISAFOANA TENY ANKORONDRANO.
