-Ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina.
– Lehilahy iray no voasambotry ny Polisimpirenena miady amin’ny fidorohana sy fiparitahan’ny zava-mahadomelina Anosy (STUP) tetsy Andraisoro noho ny fitanana, fidorohana ary fivarotana rongony teny an-toerana.
– Vaovao avy amin’ny olona tsara sitrapo no nahafahan’ny Polisy nanao ny velam-pandrika rehetra ka nahafahana nisambotra azy ny marainan’ny Alatsinainy 13 Janoary 2026.
– Mbola hita teny aminy ireo fonosana rongony miisa 368 izay efa vonona ho amidy nandritra ny fisavana.
– Taorian’ny famotorana nataon’ny Polisy dia natolotra ny fampanoavana ity lehilahy ity ary naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjan’Antanimora.