-Voasambotry ny Polisimpirenena tao amin’ny fokontany Berary, Ambovombe Androy nandritra ny hetsika “MAHOMBY” ny jiolahy miisa efatra ny marainan’ny 03 martsa 2026.
-Fikamban-jiolahy mpanao halatra maro samihafa sy nampihorohoro ny mponina tao an-toerana ireto voasambotra ireto . Efa mpamerin-keloka noho ny resaka halatra ny ankamaroan’izy ireo. Ary niaiky ireo heloka efa nataony sy izao nisamborana azy ireo izao indray.
-Ny alin’ny 02 hifoha 03 martsa, mpandeha taxibrousse iray ho any Tsihombe izay natory teo amin’ny fiantsonana no lasibatra ; very tamin’izany ny finday roa sy vola 700 000 ariary.
-Tonga nanao fanambarana teo anivon’ny biraon’ny Polisy ireo niharam-boina ka nahafahana nisambotra ireto olon-dratsy ireto.
Efa tafaverina amin’ny tompony ny finday roa very tratra tany amin’izy ireo saingy efa lanin’ireo jiolahy ny vola.
-Tanana atao andri-maso izy ireo ary hatolotra ny fampanoavana rehefa vita ny fanadihadiana.
