👉Ady amin’ny halatra isan-karazany
➡️Tambazotra mpangalatra moto ravan’ny Polisimpirenena noho ny fiaraha-miasa sy angom-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo.
➡️Olona miisa 4 no voasambotry ny Polisin’ny CSP5 Mahamasina ny 27 aprily 2025, mbola tratra tany amin’izy ireo ny moto miisa roa izay halatra, rehefa natao ny velam-pandrika sy paikady tsy hahafahan’izy ireo miala. Noentina teny amin’ny kaomisaria izy efadahy ireto hanokafana fanadihadihana sy atao andri-maso.
Notazonina eny amin’ny biraon’ny kaomisaria ihany koa ireo moto miisa 2 hiandrasana ny tompony miaraka amin’ny fanamarinana.
➡️Ho atolotra ny fampanaovana izy ireo rehefa vita ny famotoroana savaranonando.

TAMBAZOTRA MPANGALATRA MOTO VOASAMBOTRY NY POLISY MIASA AO AMIN’NY CSP 5 MAHAMASINA

Vous pourrez aussi aimer