✅Nosokafana androany, Talata 29 Aprily 2025, teny amin’ny Toby RATSIMANDRAVA ny fifaninanana ara-panatanjahantena izay hiarahan’ireo Hery Fiarovana sy Filaminana, ahitana ny Polisimpirenena malagasy, ny Tafika malagasy ary ny Zandarimariam-pirenena malagasy. Tafiditra anatin’ny fanomanana sahady ny Fetim-pirenena malagasy izao hetsika ara-panatanjahantena izao ankoatran’ny fitaizam-batana mba haha tomady hatrany ireo Hery Fiarovana sy Filaminana, ka hahafahana manatanteraka ny iraka ho fiarovana ny mpiray tanindrazana.
✅Tonga nanokatra ny fotoana ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly SAHIVELO Lala Monja Délphin, ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Inspecteur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala, ary ny Minisitra Delege misahana ny Zandarimariam-pirenena, ny Jeneraly RAKOTONDRAZAKA Andriatsarafara.
Tamin’ny fandraisam-pitenenana, dia nisy ny fanentanana izay nanamafy fa lalao ara-pirahalahiana no hatao: « Adin’ombalahin’ny mpianakavy, ka izay maharesy tsy hobiana, ary izay resy kosa tsy hakoraina ». Lalao izay atao anatin’ny firaisankina, ka hotanterahina ao anatin’ny fahamendrehana tanteraka. Tanjon’ny hetsika ny hanamafisana hatrany ny firaisankina izay efa misy sy ny hitohizan’izany.
🏐🥎🎾Ankoatran’ny Basketball dia taranjam-panatanjahantena samihafa no hifaninana toy ny Volley Ball, ny Football, ny Pétanque, ny Tennis ary ny Tennis de table.

FANKALAZANA NY FETIN’NY FAHALEOVAN-TENA 2025 : NATOMBOKA TAMIN’NY FIFANINANANA ARA-PANATANJAHANTENA HIARAHAN’NY HERY FIAROVANA SY FILAMINANA

Vous pourrez aussi aimer