👉Polisimpirenena manakaiky ny vahoaka
✅Tontosa ny Talata 29 Aprily 2025 ny lanonana fanolorana ny Poste de Police vaovao tao amin’ny Fokontany Tanambao, ao Ihosy, renivohitry ny Faritra Ihorombe. Tonga nanolotra izany tamin’ny fomba ofisialy ny Prefen’Ihosy, Andriamatoa FANOMEZANTSOA Jean Baptiste sy ny Talem-paritry ny Filaminambahoaka ao Ihorombe, ny Commissaire Principal de Police, TAFENO ROLY Ezah Vivonys. Nanotrona ny fotoana ireo olo-manankaja sivily sy miaramila ary ny olom-boafidy.
✅Tanjona amin’ny fananganana ny fotodrafitrasa toy izao ny fametrahana fandriam-pahalemana maharitra ho an’ny mponina izay raisin’ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka ihany koa sy ataony vaindohan-draharaha, amin’ny fampiharana ny Polisimpirenena manakaiky ny vahoaka. Nankasitraka izao fametrahana fotodrafitrasa ho an’ny fandriam-pahalemana izao ireo mponina ao amin’ny fokontany Tanambao ao Ihosy.
➡️Marika mivaingana amin’ny fahatokisana ny Polisimpirenena ny fanoloran’ny mpandraharaha ara-toekarena sy mpanao asa soa, izay tsy mitonona anarana, izao fotodrafitrasa entina miasa izao.

FANOLORANA NY POSTE DE POLICE AO AMIN’NY FOKONTANY TANAMBAO, IHOSY ; FARITRA IHOROMBE

Vous pourrez aussi aimer